Overblog
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog

Fitsapana fahatokiana. Fampianaran'i Joyce Meyer

Fitsapana fahatokiana. Fampianaran'i Joyce Meyer

1 Timoty 3 : 10 Ary aoka hizahan-toetra ireo aloha, dia vao hanao ny asan'ny diakona izy, raha tsy manan-tsiny.

 

Asan’ny Apostoly 6 : 3 Koa amin'izany, ry rahalahy, mizahà fito lahy eo aminareo, izay tsara laza sady feno ny Fanahy sy fahendrena, mba hotendrenay hitandrina izany raharaha izany.

 

1 Petera 5 :6 Koa amin'izany manetre tena ambanin'ny tàna-maherin'Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin'ny fotoan'andro;

 

Nomery 12:1 Ary Miriama sy Arona niteny nanome tsiny an'i Mosesy noho ny vehivavy Kosita izay efa nampakariny; fa efa nampakatra vehivavy Kosita izy. 2 Dia hoy izy mianadahy: Moa Mosesy ihany va no efa nitenenan'i Jehovah? tsy izahay koa va no nitenenany? Dia ren'i Jehovah izany. 3 Ary Mosesy dia lehilahy nalemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra atỳ ambonin'ny tany. 4 Ary Jehovah dia niteny tampoka tamin'i Mosesy sy Arona ary Miriama hoe: Mivoaha ianareo telo mianadahy ho any amin'ny trano-lay fihaonana. Dia nivoaka izy telo mianadahy. 5 Ary andri-rahona no nidinan'i Jehovah, ka nitsangana teo am-baravaran'ny trano-lay Izy; dia niantso an'i Arona sy Miriama Izy, ka nivoaka izy mianadahy. 6 Dia hoy Izy: Mba mihainoa ny teniko: Raha misy mpaminanin'i Jehovah eo aminareo, dia amin'ny fahitana no hisehoako aminy, ary amin'ny nofy no hitenenako aminy. 7 Fa tsy toy izany kosa Mosesy mpanompoko, izay mahatoky amin'ny tranoko rehetra. 8 Mifanatrika no itenenako aminy, dia amin'ny fahitana, fa tsy amin'ny teny saro-pantarina, ary mijery ny endrik'i Jehovah izy; ka nahoana ianareo no tsy natahotra hanome tsiny an'i Mosesy mpanompoko? 9 Dia nirehitra ny fahatezeran'i Jehovah tamin'izy mianadahy, ka niala Izy. 10 Ary ny rahona niala tamin'ny trano-lay; ary, indro, boka Miriama ka fotsy tahaka ny oram-panala; ary Arona dia nijery an'i Miriama, ka indro fa boka izy. 11 Ary hoy Arona tamin'i Mosesy: Indrisy, tompoko, masìna ianao, aza atao ho helokay ny nanaovanay adaladala sy ny nanotanay.

 

Retour à l'accueil

Partager cet article

Repost0
Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :

Commenter cet article