FILAZANA OFISIALY
FIADIDIAN’NY REPOBLIKAN’I MADAGASIKARA
Pretoria, 05 Mey 2009
Nanambara ny Filoha Marc Ravalomanana fa tsy nanao fangatahana hialokaloka
ara-politika any Afrika Atsimo izy araky ny vaovao tsy marina nivaoka taty
Madagasikara sy tamin’ny toeran-kafa. Ny Filoha Ravalomanana sy ny
mpanohona azy dia miasa miaraka amin’ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena
manomana ny fiverenany an-tanindrazana sy ny famerenana ny ara-dalàna
araky ny Lalampanorenana.Nomelohan’ny Filoha Ravalomanana indray ny fanitsakitsahana ny
zon’olombelona ataon’ny hery mpamoretan’ny HAT isan’andro vaky izao.
Fisamborana tsy ara-dalàna, fanenjehana ny mpanao gazety, toy ny
fisamborana vao mangiran-dratsy ny mpiasa iray tao amin’ny RADIO MADA,
fampiasana herisetra amin’ny sivily tsy manan-tsiny, izany no
trangan-javatra hita sy iainana an-davanandro eto Madagasikara
ankehitriny.Tsy azo ekena hoy ny Filoha Ravalomanana ny mampisavorovoro ny
saim-bahoaka fotsiny. Miara dia amin’ny Vahoaka Malagasy ny Filoha
Ravalomanana, ary manohona ny tolona sy ny fitakiany mandrakariva.
Nomarihiny fa izao tolona ataontsika izao dia tolona hiarovana ny zontsika
amin’ny maha olom-pirenena Malagasy afaka sy tia Tanindrazana antsika. Ary
vonona hatrany izy hitarika sy hanohy izany tolona izany hoan’ny Vahoaka
Malagasy.Nanamafy ny antso nataon’ny International Contact Group vao nivory tany
Addis Abeba ny Filoha Ravalomanana, ka nampatsiaha fa tsy tokony hisy
firenena hanao zavatra hanasarotra ny toe-draharaha aty Madagasikara.
Nilaza ny ahiahiny izy raha nahare vaovao fa misy firenena miomana hanao
sonia kontra amin’ny fanjakana tsy ara-dalànan ny HAT. Nilaza ny Filoha
Ravalomanana fa tsy misy tombontsoa hoan’ny Vahoaka Malagasy izany kontra
izany. Nomarihiny fa fanjakana tsy ara-dalàna no najoron’ny HAT, ka tsy
hanan-kery izay fifanarahana rehetra vita sonia eo, rehefa tafaverina ny
ara-dalàna. Manohona izany foto-kevitra izany ny Fianakaviambe
Iraisam-pirenena.
COMMUNIQUE DE PRESSE OFFICIEL
Commenter cet article