Overblog Tous les blogs Top blogs Religions & Croyances
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog
MENU

« Fifanatrehana Ravalomanana-Rajoelina ».Hanomboka anio ny tena resaka

« Fifanatrehana Ravalomanana-Andry Rajoelina ». Hanomboka anio ny tena resaka
(23-02-2009) - Araka ny efa nampoizina dia vahana eny ambony latabatra ny krizy. Efa nifanatrika, teny Antanimena ny mpifanandrina, tamin’ny sabotsy teo.
Fihaonana teo amin'ny Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana tetsy Ambohitsirohitra tamin'ny taona 2008
Fihaonana teo amin'ny Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana tetsy Ambohitsirohitra tamin'ny taona 2008
© Tahirin-tsary
Valim-bavaka ve sa nihaino torohevitra ve ny andaniny sy ny ankilany sa efa tena tery ny roa tonta ka naleo nifandinika? Na ho inona anefa mety ho antony dia mendri-piderana ny fihetsika nasehon’Ing Marc Ravalomanana sy Ing Andry Rajoelina nanaiky hamaha ny krizy am-pilaminana sy am-panajana. Mendri-piderana ihany koa ny Filoham-piangonana 4 mirahalahy, afaka nandresy lahatra ny olony ka nahatongavana amin’izao famahana ny disadisa eny ambony latabatra izao.

Tamin’ny asabotsy 21 Febroary lasa teo, tokony ho tamin’ny 1 ora antoandro no nanomboka nifanatrika, teny amin’ny Falda Antanimena Filoham-pirenana Marc Ravalomanana sy ny Filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina. Naharitra 50 minitra teo ho eo ny adihevitra. Araka ny efa nomarihina tetsy ambony dia nanamora ny adihevitra ny FFKM. Nanatrika io fifanatrehana io ny solon-tena 3 avy amin’ny fanajakana ( Ing isany Jacques Sylla, Noél Rakotondramboa, Ivohasina Razafimahefa ) sy ny solontena 3 avy amin’ny TGV ( Ing isany Ramakavelo Désiré, Ny Hasina Andriamanjato, Monja Roindefo ).

Nohamafisina ny fiambenana !
Marihina fa mbola nijanona tao amin’ny Falda ny Filoham-piangonana taorian’ny nandaozan’izy 8 mirahalahy mianaka ny efitrano nivoriana. Ary namoaka fanambarana avy eo fa hitohy ny fihaonana. Hanomboka anio izany ny tena resaka. Mbola tsy fantatra kosa ny toerana hanatanterahana izany. Heverina anefa fa tsy ho etsy Antanimena intsony, noho ny zava-nitranga tamin’ny asabotsy teo.

Nisy tamin’ireo vahoaka avy eny amin’ny kiajan’ny 13 mey mantsy no niandriandry teny Antanimena. Marihina fa hentitra ny fiambenana ny mpivory satria mpitandro filaminana 3 kamiao no tazana teny an-toerana. Raha vao nandao ny efitra anefa ny Filoham-pirenena sy ny filohan’ny teteza-mita dia lasa ihany koa ny ankamaroan’ireo mpitandro filaminana.

Nivoaka mialoha ny solontena 3 avy amin’ny TGV. Raha iny hivoaka iny ny solontenan’ny fanjakana dia nimonimonina sady efa vonon-kaneho ny hatezerany ny vahoaka teo Antanimena. Voatery niantso mpitandro filaminana indray vao afa-nody izy 3 mirahalahy.

Fepetra mialoha!
Fa raha iverenana ny tetsy Antanimena dia nametraka fepetra mba tsy hanelingelenana ny dinika ny FFKM: Atsahatra ny fifampihantsiana na ny fanaratsiana amin’ny haino aman-jery, atsahatra ny fampielezana vaovao tsy marina, atsahatra ny fandrobana sy ny fanimbana fananan’olona na fananam-panjakana, atsahatra ny fihetsiketsehana andalambe, atsahatra ny fisamborana sy ny fanenjehana manana endrika pôlitika.

Inona no hitranga anio, inona no mety ho vahaolana?
Raha jerena maimaika ny zava-misy dia azo eritreretina ny tsy haneken’ny Filoha hiala eo amin’ny toerany. Asa heverina hampiharina eto ve ny zava-nisy tany Zimbabwe ka nametrahana an’Ing Morgan Tsvangirai ( nitarika ny fihetseketsehana ) ho Praiminisitra.

Ny Filoha Robert Mugabe nijanona eo amin’ny toerany ihany. Sa horaiketina ny fifanarahan’ny 31 Okrôbra 1991, efa be mpiresaka tato ho ato ka hirosoana amin’ny teteza-mita ary mijanona ho Filoha, saingy tsy manana fahefana feno intsony fa ny tetezamita no hitondra ny baolina? Mbola vinavina avokoa izany rehetra izany, fa mety kisary hafa mihitsy no hitranga. Tsy tokony hohadinoana fotsiny, na ho an’ny andaniny na ho an’ny ankilany ny niandohan’ny fihetseiketsehana.

Nangonin’i V.R.


 
Publicité
Retour à l'accueil

Partager cet article

Repost0
Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :

Commenter cet article