EFA TROTRAKY NY ADINTSAINA VAO MBA MAHATSIARO ANAO RY TOMPO
--- En date de : Mer 11.2.09, HERINOMENJANAHARY Julien David a écrit :
Tena tsy misy afatsy ny vavaka tokoa.
« RAHA NY OLOKO izay nantsoina tamin'ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako dia hihaino any an-danitra Aho ka hanasitrana ny taniny » IITantara 7:14
Ry Malagasy tia Tanindrazana,
Manoloana ny zava-mihatra amin'ny Tanindrazana Malala, dia manao antso avo aminao aho hahatsiaro am-bavaka manokana Azy. Very hevitra ny tsirairay ny mety hitranga rahampitso, kanefa mila ankinintsika amin'Andriamanitra Tompon'ny Fahefana izany mba hiasa Izy ary hanasitrana ny Tanindrazantsika.
Hoy angamba ianao hoe tsy ho vitan'ny vavaka fotsiny izany, satria foana ny finoana tsy misy asa. Koa azonao hatao tsara ny mandefa ny antsonao (email, téléphone, sms, fax, sns….), iarahantsika hivavaka ho an'ireo mpitondra isan'ambaratonga rehetra amin'izao fotoana mba hanendren'Andriamanitra ny fon'izy ireo tsirairay ahay hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fibebahana, hanasitranàna ny Firenena, mba hifanantona izy reo ka hijery miaraka ny vaha-olana haingana.
Ho aminareo anie ny Fiadanana avy amin'ny Tompo Andriamanitra.
Ny Mpitandrina sy ny Kristiana rehetra tia an'i Madagasikara
Tahinonao ry Zanahary, Ity Nosindrazanay ity !!!
NB : Mangataka anao ampitiavana hampita izao hafatra izao amin'ny namana rehetra. Misaotra indrindra !
=========================================================================================
Miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'i Jesosy Tompo !
Tena marina io voalaza eo ambony io fa amin'ny fotoana sarotra tahaka izao indrindra no tena ilàna ny fijoroantsika Kristiana. Koa ho fiombonam-bavakints ika Malagasy rehetra tsy ankanavaka, na eto an-toerana na any ivelany dia misy ora (Malagasy) izay efa nomena ny rehetra teto Iarivo ity, efa naparitaka an-gazety omaly, atokantsika rehetra ho fangatahana sy ho fifonana ho an'ny firenentsika :
- 9 ora maraina
- 1 ora atoandro
- 5 ora hariva
- 9 ora alina
Dia manantena antsika rehetra izay mandray izao hafatra izao hahatsiaro na dia iray minitra monja aza ho an'ny firenentsika ao anatin'ireo ora ireo..
Dia samy hotahian'ny Tompo isika rehetra, ary hotahiana koa ny firenentsika.
> Si Madagascar traverse une période difficile maintenant, sachez que DIEU se prépare à nous bénir d'une façon qui dépasse notre entendement.
> "Car je connais les projets que j'ai formés sur vous, dit l'Eternel, projets de paix et non de malheur, afin de vous donner un avenir et de l'espérance" Jer.29.11
>
> S'il vous plaît, envoyez ce message à tous les malgaches que vous connaissez .
>
> La prière est PUISSANTE et est le plus beau cadeau à recevoir.. Ça ne coûte rien mais ça rapporte beaucoup.
PRIONS pour notre pays.
> Voici la prière :
> Père, je te demande de bénir mon pays et tous les Malgaches .
> Montre nous une nouvelle révélation de TON amour et pouvoir. Au nom de Jésus-Christ. Ainsi soit-il
Commenter cet article