| « RAHA NY OLOKO izay nantsoina tamin'ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako dia hihaino any an-danitra Aho ka hanasitrana ny taniny » IITantara 7:14 Ry Malagasy tia Tanindrazana, Manoloana ny zava-mihatra ny Tanindrazana Malala, dia manao antso avo aminao aho hahatsiaro am-bavaka manokana Azy. Very hevitra ny tsirairay ny mety hitranga rahampitso, kanefa mila ankinintsika amin'Andriamanitra Tompon'ny Fahefana izany mba hiasa Izy ary hanasitrana ny Tanindrazantsika. Hoy angamba ianao hoe tsy ho vitan'ny vavaka fotsiny izany, satria foana ny finoana tsy misy asa. Koa azonao hatao tsara ny mandefa ny antsonao (email, téléphone, sms, fax, sns….) hanasitranana ny Firenena amin'ireo izay mpitondra isan'ambaratonga rehetra amin'izao fotoana, mba hifanantonan'izy ireo ka hijery miaraka ny vaha-olana haingana. Ho aminareo anie ny Fiadanana avy amin'ny Tompo Andriamanitra. Pasteur RANDRIAMBOLOLONA Jacky Vavaka : Tompo ô ! Miandrandra anao izahay Be ny ahiahy mahazo anay aty 3-Tompo ô aoka ho -hovimbininao Ity firenena ity ny tanidrazanay ô tahio Daniel RANOASON. NB : Mangataka anao ampitiavana hampita izao hafatra izao amin'ny namana rehetra. Misaotra indrindra ! |
Commenter cet article